Zava‑dehibe amin’ny fikatsahana ny fahamarinanana eto amin'ny firenena ny fanaitairana ny saina maha‑olom‑pirenena. Ny hetsika ataonay Gen Z dia mifototra amin’ny mangarahara, mba hanomezana ny tanora fitaovana hiatrehana ny faneriterena sy ho lasa mpanorina fiarahamonina. Ny fanafahana izay iadivana ho an'ny olom‑pirenena tsy ankanavaka dia manome lanja ny feo tsirairay ary mamerina ny maha‑olona, manomanana taranaka sahy, tompon’andraikitra ary vonona hiroso.
Ny karokaroka, famoronana sy ny ranto fianarana no isan'ny herin’i Madagasikara. Amin’ny fanohanana ny fanabeazana, ny fidirana amin’ny teknolojia ary ny fahaiza‑manao mifandraika amin'ny fivoarana efa misy maneran-tany, ny Gen Z Madagasikara dia manampy ireo talenta eto an‑toerana ho lasa mpanavao misokatra amin’izao tontolo izao. Ny fahaleovan‑tena ara‑toekarena dia manamafy ny toky ilain'ny firenena mpiombon'antoka ary mamela ny tanora tsirairay handray anjara amin’ny fandrosoana maharitra.
Andao hiara-hiasa mba ahazo vokatra tena maharitra.
Hetsika tarihin'ny
Tanora Gen Z eto Madagasikara
Gen Z Madagasikara dia hetsikin’ny olom‑pirenena tsy ankanavaka entin’ny Generation Z eto Madagasikara, manana antom-pisiana mazava : mandray anjara amin’ny fanavaozana lalina ny firenena, miorina amin’ny zon’olombelona, ny mangarahara ary ny fahaleovan‑tena ara‑toekarena.
Amboarina ho hetsika iombonana ny fahatezerana sy ny fitarainana nasionaly, na eny anaty sehatra nomerika izany na eny anivon’ny fiarahamonina. Amin’ny fanentanana ny tanora, fanofanana ary fanohanana tetikasa eo an‑toerana, dia miasa manomboka eny ifotony — fokontany, tanàna, vondrom‑piarahamonina — ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly ny Gen Z Madagasikara.
Tanora mihaotra ny 250 000 no efa voaentana
efa mihaotra ny 2 700 ny olona nanao sonia ny Dina Gen Z
Mpanohana efa mihaotra ny 35 000 amin’ny tambajotra sosialy
Tanora mifoha, mahiratra ary vonona hiaro ny zony mba hanangana an’i Madagasikara marina sy miroborobo.
Ny kolikoly dia fanodinkodinana ny fananan’ny maro an'isa ho tombontsoan’ny vitsy an’isa na olon-tokana. Manimba ny fanjakana ny kolikoly, manaisotra ny zon’ny tsirairay ary mampihemotra ny firenena. Rava ny fitokisana sy ny fihavanana, mampitombo ny tsy rariny ary manakana an’i Madagasikara mba ho firenena marina sy mendrika.
Satria manan‑jo hahalala ny fomba fampiasana ny vola sy harena ary ny fanapahan‑kevitra raisina ny vahoaka tsy an-kanavaka: mila azo jerena sy misy fanazavana avokoa ny fanapahan‑kevitra rehetra, ny pitsopitson'ny fandaniana rehetra ary ny safidy nataon'ny mpitondra.
Rehefa tsy miaro ny olom‑pirenena intsony ny lalàna, fa miaro ireo mandika azy. Ny fiarovana ny zon’olombelona dia midika fiantohana ny rariny, ny fitoviana ary ny fahamendrehana ho an’ny rehetra.
Andao hiara-hiasa hanarina an’i Madagasikara.
Manova ny hoavin’ny firenena ny hetsika olom‑pirenena rehetra
Ny fahafantarana ny zo, ny zava‑misy eto amin’ny firenena ary ny rafitra misy fahefana no dingana voalohany amin’ny fananganana taranaka mazava saina, mahay mandinika ary sarotra voafitaka.
Ny fanaovana tatitra sy fanangonana porofo dia miaro ny olom‑pirenena ary mandrava ny kolontsain’ny fahanginana. Ny feo tsirairay miantefa dia manamafy ny fanjakana tan‑dalàna.
Mandrindra ny tanora isaky ny fokontany mba hanentana, hampiofana, hanao hetsika ary hampiakatra ny feon’ny vahoaka avy eny ifotony.
Mangataka kaonty, manara‑maso ny fampiasana ny volam‑bahohaka, mitaky famoahana tatitra : ny mangarahara no fitaovam‑pandresena lehibe indrindra an’ny vahoaka te hanangana Fanjakana vaovao.
Mandray anjara amin’ny fananganana an’i Madagasikara mangarahara, marina ary demokratika tokoa.
Raisinay an-tanan-droa ireo tanora rehetra vonona hanolotra ny fotoanany, ny heviny ary ny fahaiza-manaony ho fanasoavana ny firenena. Gen Z Madagasikara: hetsika olom‑pirenena tarihin’ny Generation Z eto Madagasikara, miasa amin’ny alalan’ny Komity Vahoaka Ifotony (CPL), tetikasa samihafa ary hetsika olom‑pirenena. Ny mpilatsaka an‑tsitrapo tsirairay dia manana anjara toerana lehibe amin’ny famoronana fiantraikany azo tsapain-tànana, maharitra ary mahasoa ho an’ny fiarahamonina sy ny hoavin’i Madagasikara.
Tanora mirotsaka an-tsehatra, firenena mandroso.
Ny mpilatsaka an‑tsitrapo no ivon’ny Gen Z Madagasikara. Izy ireo no manofana, mampihetsika, manavao ary miaro ny zon’ny olom‑pirenena isaky ny faritra. Ny fisiany dia porofo fa ny tanora mifandrindra sy voalamina dia afaka manova ny firenena. Atolotray eto ny fankasitrahanay azy ireo. Miara‑miasa izahay amin’ny fananganana hetsika mahavita misarika fahafahana, mampivelatra hevitra vaovao ary manome feo ho an’ireo tetikasa sy olana izay tsy mbola nahazo fihainoana.
Araho akaiky ny vatsin-kevitra, ny fandraisana andraikitra ary ny fivoaran’ny hetsika.
Hahita eto ireo lahatsoratra, famintinana avy amin’ny asa fanaovan-gazety, fanadihadiana olom‑pirenena, tatitra momba ny hetsika sy ny fanavaozana ny tetikasanay ianao. Varavarana misokatra ity ahafantarana izay ataon’ny tanora isan’andro : ny mangarahara, ny rariny ary ny fanavaozana demokratika.
Mijanòna ho mifandray mba hanaraka ny fandrosoan’ny hetsika sy hahafantarana ireo olana sy fanamby mamolavola an’i Madagasikara.






